FETY SAMIHAFA

Tokony Hankalazaina ve ny Noely?

1. Fankalazana ny fiverenan’ny masoandro taorian’ny ririnina no niandohan’ny 25 Desambra. Rehefa ririnina dia mangatsiak ary mirotsaka ny oram-panala. Noho izany, ny fiverenan'ny andro mafana sy masoandro dia nankalazaina fatratra, satria ilay andriamanitra masoandro notompoin'ny Romana sy ny Grika no inoany fa mahatonga ny hafanana toy izany.

2. Ny tantara maneho ny niandohan’ny Krismasy dia manambara fa fomba Jentilisa no nampidirina tamin’ny fiangonana Kristiana, ary ny fankalazana azy dia manamarina izany.
3. Tsy nandidy ny mpianany na ny fiangonana hankalaza ny nahaterahany i Jesosy izay tompon’ny fety. Ireo Andro Firavoravoana Voatendrin'i Jehovah no voasoratra fa notandreman'i Jesosy sy ny mpianany. Tsy misy mihitsy andalan-tSoratra Masina milaza fa nampirisika ny olona hitandrina sy hiravoravo noho ny nahaterahan'i Kristy Jesosy. Ny nambaran'i Jesosy fa tokony hotsarovana kosa dia ny nahafatesany.


4. Ny fividianana kilalao, fitafina vaovao mandritra ny vanim-potoanan’ny Noely, dia tena mampandroso ny varotra sy ny toe-karena; ary miteraka fitsiriritana, fifaninanana sy fifampialonana eo amin’ny mpiara-belona sy mpiara-mivavaka koa izany. Mihamaro ny halatra sy vaki-trano raha vao miandoha ny volana Desambra.

5. Ny hevitry ny teny Noely sy Krismasy dia hafa mihitsy raha jerena ny heviny amin'ny fiteny Anglisy:

Christmas = Christ (Kristy) + Mass (sorona) = Izany hoe Kristy natao sorona no heviny
Noel =  Natalys (latin) na nativité ( fahaterahana) 
na koa hoe: No (tsy misy) + El (Andriamanitra)
Noho izany, manambara ny fahaterahan’iza marina ny Noely?


Noho ireo antony 5 voalaza ireo, dia tsy tokony handany vola sy fotoana hankalaza ny Noely sy Krismasy ny olona.

►Inona ireo Andro Firavoravoana Voatendrin'i Jehovah?