FETY SAMIHAFA

Ny 25 Desambra

Ny niandohan'ny 25 Desambra

Niainana tamin’ny fomban-tsampy tanteraka ny Krismasy nandritra ny arivo taona voalohany nidirany tao amin’ny Eglizy: 

  • tao ireo olona niboridana tao am-piangonana
  • nisy koa ny fidorohana mahatsiravina
  • ny ampondra nampidirina tao am-piangonana
Hita fa fomba fanao tamin’ny fankalazana ny 25 Desambra izay fetin’ny masoandro sy Mithra ireny fahavetavetana rehetra ireny.

Ny olona ankehitriny dia tsy mahafantatra afa-tsy ny sakafobe, ny haingo mirentirenty samihafa ao am-piangonana sy amin’ny isan-tokantrano, ny fanomezana kilalao ho an’ny ankizy, ny dadabe noely. 

 Ireo hazo masin'ny Jentilisa fahiny dia nosoloina hazo Noely eo amin'ny Kristiana mankalaza Noely. Ireny rehetra ireny dia nolovana tamin’ny Jentilisa, izay fanao tamin’ny fanompoan-tsampy masoandro sy Mithra, fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny fahatongavan’ny zanak’ Andriamanitra.

Fanompoan-tsampy vaovao (néopaganisme)

Tafiditra tao amin’ny fiangonana ireny fomban-tsampy isankarazany ireny, ary nentina nankalazana ny nahaterahan'i Jesosy izany.

Ny fomban-tsampy sy fahavetavetana toy izany dia manakona ny tena voninahitr’ Andriamanitra Ilay Teny tonga nofo.

Fehiny

Ny fankalazana ny 25 Desambra tany am-piandohana dia nanjary lasa endrika fanompoan-tsampy vaovao tao amin'ny Eglizy.

Pejy mifandray


► Ahoana no niandohan'ny Krismasy na Noely?
► Ahoana marina ny tantaran'ny Krismasy sy Noely?
► Mbola tokony hankalazana ve ny Noely sy Krismasy?

Jereo koa ny momba ny Krismasy ao amin'ny wikipedia. 

Azonao atao koa ny mijery ny pejy hafa momba ny Krismasy.