Ny Paka Alahady sy ny Paska

Ankoatra ny fihazana na fitadiavana atody dia inona no antony hankalazana ny Paka? Ny kolontsaina sy firenena tsirairay avy dia samy manana ny fiheverana sy fomba fitandremana ny ny Paka, araka ny zava-misy sy ny tantara nisy taloha. Indreto misy fomba fanaon'ny olona hankalazany ny Paka ankehitriny izay tsy araka ny Soratra Masina velively. Ho hitantsika koa ny tari-dàlana fohy momba ny fitandremana ny Paska araka ny Soratra Masina.

NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY PAKA SY NY PASKA

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-2 ny tantaran'ny Paka.
Efa ela ny kristiana no nahatsiaro sy nankalaza ny fitsanganan’I Jesosy tamin'ny maty. Ny fanaovana ny fetin’ny Paka ho fialantsasatra kosa dia tsy nanomboka raha tsy tamin’ny taonjato faha-2. Ny Paka, na Pascha (Latina), na Paka (Grika), dia fetibe lehibe ao amin'ny fiangonana kristiana, izay entiny mankalaza ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin’ny maty.

Ny fanaovana ny Paka ho fotoam-pialan-tsasatra ny dia nanomboka tamin'ny taonjato faha-2, na dia efa nisy aza ny fahatsiarovana ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty tany aloha.
Inona no niandohan’ny teny sy ny hevitry ny teny hoe “Paka” alahady sy ny “Paska” (Paskan'i Jehovah) ?

Ny paka dia misy teny roa amin’ny anglisy: “Easter” sy “Passover”.
1) Ny niandohan’ny teny “Easter”, izay mitovy amin’ny teny alemà hoe “Ostern”, dia tsy fantatra mazava. Araka ny fomba fijery iray izay mety ho tsy marina akory, nohazavain'i Venerable Bede tamin'ny taonjato faha-8, ny teny anglisy hoe ”Easter” (“Paska”) dia avy amin'ny Eostre, na i Eostrae, izay andriamanibavy amin'ny lohataona sy ny fiterahana. 
2) Ny “Paska” (na “Pesach”, “Pesah”, dia nadika hoe “Passover” (pass + over) amin’ny teny anglisy, ary Pâques amin’ny frantsay. Pesah = mandalo; fandalovana; mandeha tsy mahakasika; mandingana. Noho izany: Paska = fandalovan’ny loza fahafolo, tsy mahakasika ny zanak’Israely.
Ny Paska dia fandalovan’ny anjely mpandringana na ny fahafatesana, izay nitondra ny loza fahafolo, namono ny lahimatoan’ny Egypta rehetra (Eksodosy 12), fa nandalo fotsiny ny lahimatoa Israelita. Tsy nisy maty ny lahimatoa Israelita nandritry ny Paskan’i Jehovah
Ny “Resabe momba ny Paska” dia tsy voavaha raha tsy tamin’ny taonjato faha-8. Ny Kristiana tany Azia Minor dia nahatsikaritra ny daty nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana, izay nankalazan’ny Jiosy rehefa Paska - izany hoe tamin'ny andro faha-14 tamin'ny volana fenomanana voalohany amin'ny lohataona (14 Nisana na 14 Abiba: jereo ny alimanaka jiosy). 
Tany Andrefana ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia nankalazaina tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, na alahady. Vokatr'izany dia nankalazaina isaky ny alahady voalohany aorian’ny 14 Nisana na 14 Abiba ny Paka teo anivon’ny kristianisma. Tsy mitsaha-mitombo ny fiangonana nifidy ny fankalazana ny Paka amin’ny andro alahady, ary ny “Quartodecimans” (na ireo mitandrina ny "andro faha-14 Nisana") dia nijanona ho olom-bitsy.

Ny filankevitry ny Nicaea tamin'ny 325 dia nanambara fa tokony hotandremana amin'ny alahady voalohany ny Paka, ka alahady aorian'ny volana feno voalohany aorian'ny faran'ny lohataona equinox (21 Martsa) izany. Araka izany, ny Paka dia ankalazain’izy ireo andro alahady eo anelanelan’ny 22 Martsa ka hatramin'ny 25 Aprily.
NY FOMBA FANKALAZANA NY PAKA ALAHADY SY NY PASKAN'I JEHOVAH 
(1) Ahoana ny fomba fankalazana ny Paka izay antsoina hoe “Easter” taloha sy ankehitriny?
Toy ny Krismasy, dia nanangona fomba amam-panao be dia be avy amin’ny kolontsaina tandrefana sy tatsinanana maro ny fankalazana ny Paka.
·       Vokatry ny fifangaroan’ny kolontsaina sy ny fivavahana kristiana, ny fankalazana Paka ankehitriny dia miharo ny fomban-drazana avy amin’ny kolontsaina tandrefana sy tatsinanana.
·       Tamin'ny andro fahagola, dia nametraka hena zanak'ondry teo ambanin'ny ôtely ny kristiana, andro vitsivitsy mialoha ny Paka. Rehefa avy nanaovan’ny mpitandrina vavaka io hena io, dia nohaniny rehefa vita ny Paka.
          Maro ny fiangonana Kristiana no mitandrina ny Paka. Ny fahafatesan'i Kristy dia tsarovana mandritry ny Herinandro Masina, ary ny fitsanganan’i Jesosy Kristy ny ankalazaina ny alahadin'ny Paska. Misy fotoam-pivavahana mandritry ny Herinandro Masina sy ny alahady Paska. Kristy manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, ka tsy mamono biby atao sorona intsony rehefa Paska. Ny fankalazana ny Paska Easter (avy amin’ny teny hoe Ishtar) dia nanomboka tamin'ny taona 155 a.d., tamin'ny andron'i Polycarp, Eveka tao Efesosy, izay maty novonoina sy nodorana noho ny fikasany mafy hitandrina ny Paskan'i Jehovah 14 Abiba. Ny Eveka nandimby azy, Polycrates, dia novonoina tahaka azy koa. Ary nanomboka teo dia tsy nisy sahy nanohitra ny fanaovana ny Paska ho araka ny fomban'ny Eglizy Katolika Romana intsony. 
Literatiora fanampiny : earlychristianwritings.com
·       Misy koa ny fotoam-pialan-tsasatra izay tsy iasana ny ampitson’ny Paka (Alatsinainy manaraka ilay Paka Alahady).

·       Amin’ny finoana sasanydia misy misy fifadian-kanina mialoha ny Paka. Hatramin'ny taonjato faha-12, ny fifadian-kanina Lenten dia mifarana rehefa tonga ny Paka. Ho fanamarinana izany, dia nisy firavoravoana fihinanana sakafo tsara toy ny atody, jambon sy mortadelle, fromazy, mofomamy isankarazany ary zava-mamy toy ny chocolat.
Inona no niandohan’ny atody eo amin’ny fankalazana ny Paka?
Ny fampiasana ny atody voaloko sy voaravaka marevaka dia nanomboka tamin'ny taonjato faha-13. Araka ny tantara, ny fiangonana dia mandrara ny fihinanana atody mandritra ny Herinandro Masina; ka afaka manohy manatody ny akoho mandritra io herinandro io. Aorian’ny "Herinandro Masina", dia ohanina ny atody ary arantiranty ny haingony.
Araka ny kolontsaina tandrefana sy ny tantara, ny atody taty aoriana dia natao tandindon'ny fitsanganana amin'ny maty. Tahaka ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, ny atody dia tandindon’ny fiainana vaovao, satria misy aina mipoitra avy amin'ny atody, dia ny zanak’akoho izany. Amin'ny fomba amam-panao Ortodoksa dia lokoina mena ny atody ho tandindon'ny rà nalatsak'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana.
Ahoana no niandohan’ny bitron’ny Paska?
Ny bitron’ny Paka dia nipoitra tamin'ny finoana protestanta tany Eropa tamin'ny taonjato faha-17; nefa izany dia tsy lasa fomba fanao raha tsy tamin’ny taonjato faha-19.
Ny bitro mpanehandeha amin’ny vanimpotoan’ny Paka dia voalaza fa manana atody ary voalaza fa lokoiny marevaka ny atody azony ary afeniny. Any Etazonia dia ninoana fa ny bitro dia mamela harona feno kilalao sy vatomamy ho an’ny ankizy amin'ny marainan’ny Paska. Amin’ny lafiny iray, izany dia fisehoan'ny fandavan’ny protestanta ny fomba fanao amin'ny Paka teo amin’ny katolika. Any amin'ny firenena sasany any Eoropa kosa, dia biby hafa — toy ny cuckoo any Soisa, ary ny amboahaolo any Westphalia, no ninoana fa mitondra ny atodin’ny Paka, ary natao tandindon’ny Paka ireny.

(2) Ahoana indray ny fomba fitandremana ny Paska voatendrin’i Jehovah (“Passover”)?
·       Ny Paska dia tsarovana ny 14 Nisana rehefa hariva (tandremana ny hariva mialoha, aorian’ny maty masoandro). (Ekso. 12-13)
·       Tsy nanendry andro hafa Jehovah hitandremana ny Paska, fa ny 14 Nisana na 14 Abiba ihany (Eksodosy 13: 5)
·       Ny Paska dia fahatsiarovana ny fandalovan’ny anjely mpandringana na fahafatesana, izay nitondra ny loza fahafolo namonoana ny  lahimatoan’ny Egypta rehetra (Eksodosy 12), fa nandalo fotsiny ny lahimatoa Israelita; ary tsy maty izy ireo.
·       Ny Paska (14 Abiba) no fotoana famonoana ny zanak’ondry. Atao ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny fanavotana ny olona amin’ny ràny. Tamin’ny Testamenta Taloha, dia nisy isan-taona ny famonoana zanak’ondry rehefa Paska. Nefa rehefa maty i Kristy dia tsy mitondra biby atao fanatitra noho ny ota intsony. Izy no nampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà.
·       Eo amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena, misy ny fotoana fifanasana tongotra, manambara fifamelan-keloka sy fahadiovam-po. Misy koa ny fiaraha-misakafo sy fandraisana fanasan’ny Tompo sy fivoriana masina. 
Ny ampitson’ny Paska (15 Nisana) no manomboka ny fahatsiarovana ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay atomboka amin’ny fivoriana masina. Ny alina mialoha dia misy ilay "alina tsarovana indrindra", izay tandrovana ihany koa. Hafitoana no hitandremana ny hevi-panahy ambaran’io dingana faharoa amin’ny Planin’ny Famonjena io. Mifarana amin’ny fivoriana masina ny fitandremana ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
Fehiny:
·       Araka izany, samy hafa tokoa ny fomba fankalazana ny Paka Alahady izay tandreman'ny kristiana maro ankehitriny, sy ny Paskan'i Jehovah, izay notandreman' i Jesosy sy ny mpianany araka ny fotoana notandreman'ny Zanak'Isiraely izany, tamin’ny fotoana voatendrin'i Jehovah, izay voarakitra ao amin'ny Baiboly (Levitikosy 23).
·      Ny fampifangaroana diso tafahoatra ny fomban-drazana sy ny kolontsaina amin’ny fivavahana no nampivoana tsy araka ny tokony ho izy intsony ny fitandremana ny Paka eo anivon’ny fiangonana maro ankehitriny.
·       Maro ny fiangonana kristiana ankehitriny no tsy manaraka intsony ny lalàna voatendren’i Jehovah rehefa mitandrina ny Paka: na eo amin’ny daty izany, na ny fotoana, na ny hevi-panahy.
·       Maro ny mpino ankehitriny no mampiasa tandindona hafa entina mankalaza ny Paka, hany ka toa tsy mampandroso ny fiainam-panahy izany, indrindra fa rehefa miompana be amin’ny fitadiavana atody sy rabitro, ary ny fihinanana hanim-py sy chocolat ny antony hankalazana ny Paka. Ary ny fankalazana ny Paka amin’izany aza moa dia lazaina fa andro nitsanganan'i Jesosy. 
·       Mba hitomboana ara-panahy, dia tokony ho fantarina tsara ny dikan'ny Paska, ny antony hankalazana ny Paska, sy ny fomba entina mankalaza izany araka izay voalazan’ny Soratra Masina, mba handehanana amin’ny fahamarinana sy hitomboana ara-panahy, satria ny nofo tsy mba mandova ny fanjakan’Andriamanitra.