Antony 5 Tsy tokony Hankalazana ny Krismasy na Noely

Antony 5 Tsy Tokony Hankalazana ny Noely na Krismasy


1. Fankalazana ny fiverenan’ny masoandro taorian’ny ririnina no niandohan’ny 25 Desambra.
2. Ny tantara maneho ny niandohan’ny Krismasy dia manambara fa fomba Jentilisa no nampidirina tamin’ny fiangonana Kristianaary ny fankalazana azy dia manamarina izany.
3Tsy nandidy ny mpianany na ny fiangonana hankalaza ny nahaterahany i Jesosy izay tompon’ny fety.
4. Ny fividianana kilalao, fitafina vaovao mandritra ny vanim-potoanan’ny Noely, dia tena mampandroso ny varotra sy ny toe-karena; ary miteraka fitsiriritana, fifaninanana sy fifampialonana eo amin’ny mpiara-belona sy mpiara-mivavaka koa izany. Mihamaro ny halatra sy vaki-trano raha vao miandoha ny volana Desambra.

5. Ny hevitry ny teny Noely sy Krismasy dia hafa mihitsy raha jerena ny heviny amin'ny fiteny Anglisy:
Christmas = Christ (Kristy) + Mass (sorona) = Izany hoe Kristy natao sorona no heviny
Noel =  Natalys (latin) na nativité ( fahaterahana) 
na koa hoe: No (tsy misy) + El (Andriamanitra)


Noho izany, manambara ny fahaterahan’iza marina ny Noely?