Taom-baovao

Janoary ve no voaloham-bolana?

Ny nanovana ny Janoary ho volana voalohany

Raha ny Dictionnaire Larousse, édition 1971, no jerena dia izao no voarakitra ao:
·       Janvier (Latin, Januarius) : Premier mois de l’année depuis la réforme de Numa, qui le fit passer du ONZIEME rang au PREMIER rang.
·       Raha adika izany dia milaza fa ny volana Janoary dia lazaina fa Volana voalohany anatin’ny taona hatramin’ny fanavaozana nataon’i Numa, izay nanova ny volana faha-IRAIKAMBINIFOLO ho VOALOHANY.

Ahoana ary no nahatonga ny volana Janoary ho fiandohan’ny taom-baovao?

  Numa Pompilius (716 – 673 taona talohan’I Kristy), mpanjaka faharoa malaza indrindra Romana, izay nanao fandaminana ny Fivavahana Romana no nanavao ny kalendrie Egyptiana, ka nantsoina hoe “Reforme de Numa”.
  Tamin’izany fotoana nanjakany izany dia efa nanomboka niova ho Janoary ny taom-baovao tamin’ny firenena sasany, raha tokony ho eo anelanelan’ny volana Martsa sy Aprily araka ny Soratra Masina (Eksodosy 12:2).
  Avy eo dia ny Pape Jules Ier (1912-1978) indray no nanavao io kalendrie nataon’I Numa io, ka nampiasain’ny firenena maro izany, ary nantsoina hoe « kalendrie Julien.» hatramin’izany dia efa niova ho Janoary ny volana voalohany amin’ny taona, ka mifampiarahaba fatratra ny olona.
  Manazava toy izao ny boky iray: “Tamin’ny taona 46 A.D. (izany hoe, taorian’ny nahaterahan’I Kristy), dia nanapa-kevitra ny Emperora Jules César fa ny 1er Janvier dia taom-baovao, ka manokana io andro io ho fanomezam-boninahitra ho an’i Janus na Janvier (Janusarius na Ianuarius), Andriamanitry ny Vavahady sy ny Fanombohana Romana, izay manana ny laharana voalohany eo amin’ny finoana Romana, ary manarakaraka azy i Jupiter sy i Marspiter.

 Avy amin’ny anaran’I Janus no nihavian’ny teny hoe Janusarius na Ianuarius, na January (Anglisy), Janvier (Frantsay) na Janoary (Malagasy). Manana loha iray misy tava roa io andriamanitra Romana io, ny iray mitodika any aloha, ny iray mitodika any aoriana.

Nampidirina tao amin’ny Eglizy Katolika Romana fankalazana ny Janoary

§  Tamin’ny taona 325: Ny Kaonsily antsoina hoe « Nicée », izay notarihin’ny Emperora Constantin, niaraka tamin’ireo Eveka Katolika 300, no nanapaka fa io Kalendrie Julien io no ampiasain’ny Fiangonana sy Fanjakana Romana, miaraka amin’ny fanondroana ireo fetim-pivavahana isan-tsokajiny sy ny Fanekem-pinoana nekena, izay nanorenana ny Foto-pinoana Trinite na Telo Izay Iray.
Anisan’izany koa ny famindrana ny andro fitsaharana Sabata araky ny Soratra Masina ho andro Alahady (na Sunday, andron’ny masoandro).
§  Tamin’ny taona 487 taorian’i Jesosy: Nohamasinin’ny Papa Felix III ho andro voalohan’ny taona ny voalohan’ny volana Janoary.

Ankalazain’ny firenena sy fiangonana Kristiana maro io fetin’ny andriamanitra Romana Janus io

§  Tamin’ny taona 1582: nohavaozin’ny Papa Gregoire XIII io kalendrie Julien io, rehefa notoroin’i Lilio mpanandro sady mpanolon-tsainany izy.
Izany fahefana izany koa no nahatonga ny firenena maro sy fiangonana maro, indrindra fa ny Kristiana mandraka ankehitriny hampiasa izany kalandary izany sady hankalaza io andro voalohany amin’ny volana Janoary io.
 Ankalazaina eo anivon’ny Eglizy ny voalohan’ny volana Janoary. Misy ny famafazana ràn’I saint Janvier eo anivon’ny Eglizy. Sary maneho ny famafazana ny ràn’i saint Janvier nataon’ny cardinal-archevêque de Naples Crescenzio Sepe tamin’ny 2009.
vavahady

Inona ary no voalohan’ny taona ho an’ny olon’i Jehovah araka ny Baiboly?

Jehovah Andriamanitra dia nametraka lalàna teo amin’ny tontolon’ny fotoana izay voalaza mazava tsara ao amin’ny Baiboly, Soratra Masina.

Nanao ny volana ho fotoana Jehovah Andriamanitra:


Fanisam-potoana 2 tena tsy mitovy

Araka ny fanisam-potoan’i Jehovah Andriamanitra nahary ny tany sy ny lanitra, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, dia ny volana no natao ho fotoana; ary ny voalohan’ny volana dia ny fotoana fahaterahan’ny volana, na tsinam-bolana. Ny voalohan’ny andro dia isaina manomboka ny maty masoandro, ary mifarana ny ampitso hariva rehefa maty ny masoandro.
Etsy andaniny kosa, ny andriamanitra Janus, ny andriamanitra Masoandro ary ny Mithra izay tompoin’ny Romana no nahatonga ny fanovana ny fanisam-potoana hanaraka ny fomba Romana sy ny fahaterahan’ny masoandro, izay ankalazaina amin’ny 25 Desambra sy ny 1er Janoary. Ny andro iray araky ny fanisana ampiasainy dia manomboka ny misasakalina ka mifarana ny ampitso rehefa misasaka ny alina. dia Andron’ny Bala, masoandro izany ny 1er Janoary araky ny Mythologie Générale ao amin’ny Larousse, 1935.

Antony samihafa nahatonga ny Kristiana nankalaza ny 1er Janvier

·       Mbola maro no tsy manaraka ny fotoana sy ny andro firavoravoana izay voalazan’ny Soratra Masina, dia izay voatendrin’i Jehovah Andriamanitra. Mety hoe tsy tsy fahalalana no antony hankalazain’ny olona fatratra izany, indrindra ireo Kristiana, izay mbola mankalaza ny andron’i Janus Arius.
·       Faharoa, mety hoe efa mahalala ny marina ihany izy ireo, nefa tsy mahafoy ireo tombontsoa azony mandritry ny fifampiarahabana taom-baovao izy ireo, ka mihazona sy mankalaza izany andron-tsampy izany amin’ny fihinanam-be sy ny fisotroana.
·       Ao koa ireo izay efa mahalala ny marina ihany fa malaina kosa ny hitandrina ny lalàn’i Jehovah amin’ny fankalazana ny andro firavoravoana voatendry, ka manakalo izany amin’ny fety firavoravoana tsy araky ny Soratra Masina.


Mifanandrina ny mazava sy ny maizina

Fomba fanisam-potoana roa lehibe mifanandrina no hita eto: ny iray araky ny masoandro sy fomban-tsampy Romana; ny iray kosa arak’izay voalazan’ny Baiboly ary . Azo lazaina fa mpanompo sampy ireo izay mankalaza ny volana Janvier ary manao ny andro voalohan’izany volana izany ho voalohany amin’ny taona, satria fankalazana ilay andriamanitra Romana Janus izay manana loha iray sy tava roa io andro io.
Nampidirin’ny Eglizy ao amin’ny fiangonana izany mba ho fomba fanao Kristiana ny mifety sy mifampiarahaba ary mifanolotra fanomezana rehefa voalohan’ny taona araky ny kalendrie Julien.
Izany dia manamafy fa efa tanteraka hatry ny ela ilay faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela mpaminany, manambara fa “ilay tandroka kely, izay sady fanjakana ara-nofo no ara-pivavahana, dia nanova fotoana sy lalàna.”
andriamanitra Romana Zeus

FANAMARIHANA

-      Marihina fa ny firenena rehetra, afa-tsy ny Arabo sy Aziatika sasany dia manaraka ny fanisan’andron’ny kalendrie Grégorien.
-      Maro koa ny Kristiana no mankalazana ny fetin’ny andriamanitry ny vavahady sy fanombohana Janusarius io amin’ny fomba isan-karazany mandrak’ ankehitriny.
-      Ny firenena rehetra dia samy manana ny fanisan-taonany avy. Raha ny Janvier no voalohan’ny taona amin’ny kalendrie Julien dia taona 2020 isika izao.
-      Ny Karana kosa dia mankalaza ny taona 2072 izao; ny Mozilmana di any taona 1439.
-      Ny Jiosy kosa dia eo amin’ny taona 5780 na 5978 taorian’ny famoronana izao, araky ny raki-tsoratra

 Massorette Septante Grika.

Kalendrie maro samy hafa

Raha ny kalendrie no resahina dia tsara ho fantatra fa misy karazany maro izy ireny, ka ny sasany amin’ireny dia ny:
-     Kalendrie Aztec, izay manaraka fanisam-potoana araky ny masoandro, ary heverina fa masina
-     Kalendrie Silamo, izay manaraka fanisam-potoana araky ny volana, arahin’ny Arabo sy Musulman
-     Kalendrie Tamila, izay ampiasain’ny Karana
-     Kalendrie solaire Thai, izay lasa 543 taona alohan’ny kalendrie Grégorien ny fanisam-potoany
-     Kalendrie Romana, izay antsoina koa hoe kalendrie Julien
-     Kalendrie Sinoa, izay izay manaraka fanisam-potoana araka ny volana sy ny masoandro
-     Kalendrie Jiosy na Hebraika, izay mirakitra ireo andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah izay araka ny volana

Lahatsoratra niaingana

Raha mila fanazavana fanampiny, azonao ato ny mamaky ny lahatsoratra voasoratra momba ny niandohan’ny taom-baovao ho tsy araka ny Soratra Masina intsony:
-     Boky mirakitra ny Tantara Romana: Histoire romaine à l'usage de la jeunesse. Revue et complétée par l'Abbé Courval. Librairie Poussielgue. 1887
-     Larousse, Dictionnaire, 1971, Myhtologie Générale. Larousse, 1935, page 184
-     The World Book Encyclopedia, 1084, tome IV, p.237
-     Grand Larousse 1971 – Encyclopedie Général Quillet, 1947, tome III, page 19-20.
-     The World Book Encyclopedia, 1982, tome III, page 237.
-     Kalendrie Julien
-     Kalendrie Romain
-     Volana Janvier
-     Andriamanitra Romana Janus
-     Mithra
Misy koa andalan'tsoratra avy ao amin’ny Baiboly azonao vakiana:
-     BaibolySoratra Masina : Genesisy 1 :14-19, I Samoela 20 :27, Eksodosy 12 :1-2, Estera 3 :7, Salamo 104:19, Daniela 7:24-25