
Fampihaingoana miavaka ny
tranon' Andriamanitra
Mety hisy hilaza hoe: “tsy azo atao
izany ny mampihaingo ny tranon'Andriamanitra?”
“Inona moa no fahotana amin'izany, sady vao mainka
tsara no tokony hatao isan'andro aza?”
Tsy
vitsy ny fiangonana no mampihaingo ny tranon'Andriamanitra amin'ny
vanim-potoana miavaka.

Ohatra, tsy mbola misy mihitsy fiangonana mankalaza
krismasy na noely ka tsy handravaka ny trano fiangonana; fa na inona na inona
atao eo dia tsy misy lanjany ny krismasy raha tsy eo ny firavaka. Izany hoe: ny
firavaka ao ampiangonana no manome lanja ny krismasy ka aleo ny
Tenin'Andriamanitra aza no tsy mifandraika amin'ny nahaterahan'i Jesosy toy
izay ny ravaka ao ampiangonana no tsy misy. Fahafinaretan'ny maso no
misongadina amin'ny 25 desambra izay lova ratsy napetraky ny fanompoan-tsampy
masoandro sy Mithra.
Porofo iray izany fa
fanompoan-tsampy vaovao tandindon'ny 25 desambra tranainy ity 25 desambra
vaovaon'ny fiangonana ity, ary tsy mety miala mihitsy. Andramo anie ny manala
ny firavaka ao am-piangonana hoan'izay mankalaza ny 25 desambra raha tsy foana
ho azy io krismasy na noely io na dia mitory sy manambara ny nahaterahan'ny
Mpamonjy aza izy.
Fetin'ny andriamanitra masoandro sy Mithra
Mbola hitranga koa ny fanontaniana: - Ratsy izany ny
misakafo sa tokony hifady hanina (Jeûne) rehefa 25 desambra?- Tsy mety koa
izany ny miakanjo tsara sy mendrika rehefa 25 desambra?
Fanontaniana mifamahofaho daholo izany. Tsy hoe ratsy
na tsy azo atao akory izany, fa ny tandinom-pahatsiarovana navelan'ny 25
desambra mihitsy no tsy mety. Izao no fomba taloha raha hitodika ny lasa isika:
![]() |
Tempolin'i Mithra |
Ny "mithraïsme" dia nijanona ho fivavahan'
ny antokon'olona mikambana ho vondrona iray, izany hoe, be dia be ny antoko, ary
saiky isan-tanàna mihitsy dia ahitana izany . "Mithraea" no anaran'ny
toerana ivavahana amin'i Mithra, tsy tempoly goavana sy tsara tarehy izy io fa
toerana tsotsotra ihany.
Miara-misakafo eo ny olona sady mandray ny fanahin'ny
tsi-fahafatesana . Amin'ny fombam-pivavahana dia mamono vototr'ombilahy eo izy
ireo sady mihinana izany mba hahatonga fifandraisana matotra amin'ny
andriamanitra masoandro".
Ny sakafobe sy ny fitafiana miavaka
Moa ve tsy
tahaka ny antokon' olona miara-misakafo ao amin'ny "mitraea " izy ity
saingy mety ho ny mpianakavy io, na mpiara-miasa, na mpinamana tsotra izao. Na
dia eo amin'ny ankohonana aza dia samy mirary soa tahaka tamin'ny fanao amin'ny
fifandraisana matotra amin'ny andriamanitra masoandro.
- Marihina mantsy fa tsy ny mpino kristiana ihany no manao ity sakafobe ity, fa ny jentlisa izay tsy mpiditra am-piangonana mihitsy aza. Tena mahatsiaro fadiranovana tahaka ny tamin'ny andro tsingerintaonan'ny masoandro izay tsy mahavita sakafobe amin'ny andro noely; ka dia atao izay hahitana na dia hitrosa sy hanjana-bola mihitsy aza.

- Marihina fa tsy sakafo tsotra fotsiny, fa tafiditra ao ny zava-pisotro isan-karazany, hatramin'ny mahadomelina, ny dihy izay fanaon'izao tontolo izao fa tsy fomban'ny kristiana. Misy mihitsy aza miteny fa raha tsy tonga lafatra ny sakafo, dia tahaka ny tsy manao krismasy. Azo lazaina izany fa feti-kanina ny krismasy hoan'ny sasany.
- Diniho tsara ny fibosesiky ny akoho amam-borona mandritra ny volana desambra, hatramin'ny toerana tsy ampoizina hivarotana azy ireny dia ahitana izany avokoa. Satria nahoana? Tonga ny krismasy ka iza no tsy hihinana.
Nandritry ny fankalazana ny fetin'ny masoandro sy Mithra dia zava-dehibe ny fanomanana ny fitafiana ho amin'izany:
- Tsy maintsy manao akanjo vaovao sy lafo vidy; manomana izany efa
volana vitsivitsy mialoha;
- Amin'ny misasak'alina dia niboridana avokoa na vavy na lahy; fa ny
ampitso 25 desambra kosa dia mianjaika sy mampidera bika eran'ny tanàna.
- Mandritra ny fankalazana dia tonga amin'ny fitenenana hoe "borizano
mipataloha, ka samy mihinjitra amin'izay ananany".


·
Satria menatra raha
tsy manao fitafiana vaovao ho hitan'ny olona. Ary vao mainka koa fahagagana ny
mahita ny tokantrano sasany mindrana na manofa gisa herinandro mialoha mba
hihiaka ao an-trano hahafantaran'ny manodidina fa gisa ny laoka amin'ny
krismasy, ka rehefa vita ny fety dia aterina moraramora any amin'ny tompony ny
gisa; ary amin'ny andro alina no anaterana izany sao misy mahatsikaritra. Tena mahazendana!